Dada (Ny Ambasadôrà)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
He tsapako tokoa
ireo zava-bitanao
hatramin'izay (hatramin'izay)
'Reo teny maminao
sy tambitamby koa
Tianay ianao
Tsy adinonao 'zahay
na inona manjo
Ianao anilanay
Ny fiainan-tsarotra
izay diavinay
Ianao no miady ho anay

Ry Dada ô ny fitiavanao mendrika,
feno sady manambara
ny hatsarana anananao,
Ny fo feno fitia
ry Dada ô tiako loatra ianao.

Andriamanitro ô!
Ray 'zay iraisanay
Tahio i dadanay (Tahio i dadanay)
Omeo hery koa
havita ny adidy
hanao izay hahasoa
Tsy adinonao 'zahay
na inona manjo
Ianao anilanay
Ny fiainan-tsarotra
izay diavinay
Ianao no miady ho anay

Ry Dada ô ny fitiavanao mendrika,
feno sady manambara
ny hatsarana anananao,
Ny fo feno fitia
ry Dada ô tiako loatra ianao.
Ry Dada ô ny fitiavanao mendrika,
feno sady manambara
ny hatsarana anananao,
Ny fo feno fitia
ry Dada ô tiako loatra ianao.

Ouh...
Ry Dada ô tiako loatra ianao.
Ouh...
Ry Dada ô tiako loatra ianao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ambasadôrà
Vangy : 310
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : onyrak
Daty : 02/02/2023 11:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1533