FIHAVANANA (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha tianao ny ho namako
Tsy mba mandà fihavanana aho
Fa ny hany mba takiko any aminao
Mba halaviro re ny fanavahana

Avalao ao aoriana ao
’Reo izay mandà izany
F’izay vonona hiaraka aminay
Dia miaraka mihira hoe :

Tsy misy fihavanana ho vanona
Raha mbola ao ny fanavahana
Toy ny volon-koditra sy ny saranga koa
’Zay mbola manjaka amin’izao fotoana izao

Raha te-hikaroka fiadanana ianao
Amin’izao fiainana mandalo eto izao
Ndeha mifamela amin’ireo ralahinao
Sy ireo izay manana alahelo taminao

Esory ao ireo enta-mavesatra
Ka aza avela hisy tafajanona ao
Amin’izay fotoana izay ho maivana ianao
Ka ho azonao antoka ny fahasambarana

                              NJILA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Njila
Hits : 5687
Likes : 0 Like
Created by : Linah D
Date : 10/07/2003 09:59
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1185