Mbola manina ve (Naka Rabemanantsoa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
A: Mbola manina ve, no dia mametrapetrakaB: Vointenanareo, hanimba ilay fihavanantsika
A: Ianao no adala ramatoa, fa miavo-tsahala
B: Na ts’isy todiny aza izao e! andrasako ny rariny
A: Samia ary masina an-taniny
Ianao no tsy tia, zahay koa mianjona
Fitia tsy tanteraka ve ramatoa
No hanaovana andolom-po
Hadalanao mihevitra izany
B: Aza kivy na mba taitra, Ô ry tia fihavanana eto
Mba tsy hahatsapa ny mafaitra, Mbola hiandry rariny eto!
Ny ratsy ataon’ny olon-tiana mampanjohy ny ranomaso
No sakanan’ny havana fa ny rariny andraso
Ny rariny andraso
B: Raha ny hava-nitokiana e, no manjary be ankaso
Aiza re ‘ty fahoriana e, ao ny rariny andraso e
Fitia tsy andrin’olon-kafa dia handrasako ihany
Aoka izay aloha ny tafa e, aoka koa ny tomany
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Naka RabemanantsoaHits : 1416
Likes : 0 Like
Created by : nirinamercia
Date : 10/06/2020 19:43