HIFONAKO (Milanto)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
HIFONAKO

Namako oh! mba omeo aho
Minitra vitsy raha toa sitrakao
Tiako ho renao 'zay ato am-po
Navesatra, tsy tànako ka lazaiko anao
  
ref:
Hifonako ireo tsy nety natao
Nampisy elanelana tamiko sy ianao
Ka ho averintsika (ho avaozintsika) izay nampiray antsika hatrizay
ireo disadisa sy ny fankahalàna
Hanjary hafaliana, tsiky mahatamàna...
Ka ny hiriko  ireo adiady hisolo FITIAVANA...

Namako oh! tiako ho hita indray
Ny fahazotoanao manompo ny Ray
Ka raha ho avy ny andro izay
hiavian'ilay Ray...
hiaraka hifampitantana ho any an-danitra..

Hifonako ireo

tsy nety natao
Nampisy elanelana tamiko sy ianao
Ka ho averintsika (ho avaozintsika) izay nampiray antsika hatrizay
ireo disadisa sy ny fankahalàna
Hanjary hafaliana, tsiky mahatamàna...
Ka ny hiriko adiady hisolo FITIAVANA...

Hifonako ireo tsy nety natao
Nampisy elanelana tamiko sy ianao
Ka ny fitiavan'Andriamanitra anie no hampiray
Dia hiaraka hiaina ilay fiainam-baovao
Izay voahomana ho anao sy ho ahy
Samy handova ny lanitra anie
Izaho sy ianao....
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Milanto
Hits : 137
Likes : 0 Like
Created by : Milantoharivony
Date : 22/04/2024 18:53
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752