HO ANAO (MIARY FANANTENANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho anao reraky ny adin-tsaina
Ity misy fiainana ho anao
Ho anao mahatsiaro toa very
Ity misy vonjy ho anao
Làlan-tokana hamaha ny olanao
Làlan-tokana hamonjena anao
Dia JESOSY KRISTY

Jesosy Kristy Mpamonjy anao
Jesosy Kristy no hamaha ny olanao
Nanome ny rany Izy
Nahafoy ny ainy Izy
Tamin'ny hazo fijaliana
Kanefa tsy tratry ny lo
Nandresy ny fasa-mangina
Velona mandrakizay
JESOSY KRISTY

Jesosy Mahery no hamonjy anao
Jesosy Mpandresy no hampandresy anao
Nanome ny rany Izy
Nahafoy ny ainy Izy
Satria tiany hianao
Raiso Izy ho Tomponao

Auteur Compositeur : Mamy
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : MIARY FANANTENANA
Hits : 2313
Likes : 0 Like
Created by : GROUPEMF
Date : 07/09/2009 06:45
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0768