Topimaso (Toky fitia) (MIA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mia - Topimaso (Toky fitia)Ilay Topimaso iray
Nampiherika ahy
Dia nitory fitia lalim-paka anaty
Tsy vazivazy izany
Tena fitiavana mamy
Lalaiko, hajaiko satria
Satria ianao no toky fitia
Ny fitiavantsika mitombo hatrany
Afon'apombo io, ka tsy mety ho lany
Mavesa-danja izy ka ho koloiko hatrany
Lalaiko, hajaiko satria
Satria ianao no toky fitia
Ilay fijerinao sy ilay endrikao miahiahy
Dia nambabo tokoa
Ity foko maina hatrizay
Ireo teny maminao
Mipaka ato am-poko ato
Hatendry hisalorako sy ho aronao
Ny voady izay natao
Natolotrao ho anay
Tsy hisy hampanahy ahy sy ianao
Satria ianao no toky fitia
Satria ianao no toky fitia
Ouh ouh ouh ouh ouh ouh
Ouh ouh ouh ouh ouh ouh
Ouh ouh ouh ouh ouh ouh
Ny fiarahantsika dia tena mamy
Harena sarobidy tsy mety ho lany
Ilay fitiavanao toky zary feno ka tiako
Lalaiko, hajaiko satria
Satria ianao no toky fitia
Satria ianao no toky doria
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : MIAHits : 404
Likes : 1 Like
Created by : Lazamanana
Date : 25/05/2025 05:21
