TIA (MIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TIA

Asa raha fantatrao ’lay fitiavako anao
Toa feno tahotra aho mahita anao
Lasa feno ahiahy sao dia holavinao
Tsy mba sahy , tsy sahy
Raha vao tazako ianao
Manatona ahy

Ref :
Ianao irey no tena tiako
Ny hiaraka aminao eny
Izay no faniriako
Ny hizara ilay masoandroko aminao
Lazao f’ianao dia ho ahy

Tsy haiko loatra f’izaho
Toa mihemotra hatrany
Ny hilaza aminao tsy hanihany
Ny haben’ilay fitiavako ho anao irery ihany
Holazaiko aminao
Hohiraiko aminao
Aoka ho fantatrao izay ampoko ao...

Ref

Manontany tena aho
Sao kosa tsy anao
Iay anjarako
Mety ho diso hevitra eo tokoa
Mampisalasala ahy
Ilay fitiavako anao
Mifikitra ao ampo(2)
Fa...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIA
Vangy : 4772
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 09/06/2004 04:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3868