mitalaho aminao (MIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MITALAHO AMINAO

MAMIRAPIRATRA ANATIKO AO
ILAY ENDRIKAO
TSY METY AFAKA AO AN-TSAIKO
FA MITOETRA AO
IANAO,IZAY NAMBABO AHY
HATRAMIZAY
ANTSOIKO EO ANILAKO
HO TIAVIKO

MITALAHO AHO
FA TSY NOJERENAO
TY TOLOKO
TSY HITA IZAY HATAO
VOATOSIKA TY FOKO
F’IZAO LAZAIKO ANAO
TSY AZO OMENA TSINY IANAO
SATRIA EFA NATAO
TSY ANJARA ANGAMBA NY HIARA DIA AMINAO

MAMELOMBELONA ANATIKO AO
ILAY FEONAO
TOA MANENTANA AHY HANKANY MBA
HAHITANA ANAO
HILAZA FA EFA ELA AHO
NO TIA ANAO
KA MBA MITALAHO AHO
HO RAISINAO

REF
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIA
Vangy : 2264
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : latino
Daty : 11/02/2005 01:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0773