Ampidiro aloha ny tenimiafina
Nenina (malagasy jazz label)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NeninaNy alina mangina
Matsiaro ny fahiny
Matsiaro ireo ditrako aho
Ka velom-panontaniana
Maro tokoa
Ny olo tiako taloha
Zao mamisavisa sisa
No azoko atao
Tsy mahita tory , miasa saina
Manenina nefa tsy afaka intsony
Ra azoko atao, ny miverina dia atao
Saingy indrisy tsisy izany
Nofy ihany..
Any ianareo
Iriko efa sambatra
Efa nanadino ahy
Efa namela ahy
Ifonako avokoa
Ireo vitako taloha
Manenjika ahy izy ireo
Tantara taloha
Tsy mahita tory , miasa saina
Manenina nefa tsy afaka intsony
Ra azoko atao, ny miverina dia atao
Saingy indrisy tsisy izany
Nofy ihany..
Musique :autumn leaves
Parole: Andriamalala Ampinga
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : malagasy jazz labelHits : 263
Likes : 0 Like
Created by : malagasyjazzlabel
Date : 19/05/2025 23:03
