Ny lasantsika (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny lasantsika tsy hay hofafana
Tsy mety mangatsiaka fa tadidiko mazana
Ireo safosafo sy angolangola
Namela afo tsy mety tononkira.serasera.org tola

Toa tsy tantin’ny saina ny mieritreritra fa
Ianao ilay nolalaina mitampify an-tratran’olon-kafa sfsymgpy
Ireo teny mamiko naverinao ho azy
Hay izy ireny tamiko mbola vazivazy

Izaho no namafy, ny hafa no nijinja
Izao indray no niafy fa nilaozanao nifindra
Natao lamba tonta aho, natsipy toa rovi-damba
Zary natontatonta,lany tsirony angamba

Ilay vatanao mangovitra raha tojo okmhih hafaliana
Ny ambany miovitrovitra, tsara karakaran’olon-tiana
Ny rrzxboda rangotrangotrao tratra hafa no ratrainy
Reo antsoantsonao, ny molotrao notsenainy

Tsy ilay nisolo toerana no ankahalaiko
Fitia tsy azo ferana, ny fahavaloko hajaiko
Fa ianao kosa mbola antenaiko
Mbola tsy afa-trosa, izaho ve dia hiala maina


(Dadah)

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mahaleo
Hits : 18427
Likes : 0 Like
Created by : Ramasomanana Rindra
Date : 16/01/2002 16:07
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.019