ikalaratsy ity (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro ireo tantaram-pitiavana talohan’ny antsika
Ny antsika roa dia niavaka vao nifankahita
O r’ikalaratsy ity ohatran’ny malahelo anao ‘zaho

Toa lavitra be tsy takatry ny masoko ny tany nalehanao
Afon’ampombo tsy matin’ny ankaso ny fitiavako anao
O r’ikalaratsy ity ohatran’ny malahelo anao ‘zaho

Tsy tarehy, tsy bika na fitafy no nambabo ahy
Fa ny fahatsoranao dia tso-drano mifafy noraisiko ho ahy
O r’ikalaratsy ity ohatran’ny malahelo anao ‘zaho

Lasa ianao any lavitra any
Lasa nianatra any am-pita any
Nandao tanindrazana
Nandao namana
Nandao havana

O r’ikalaratsy ity mirary anao ho tafita ‘zaho
O r’ikalaratsy ity mirary anao ho tafita ‘zaho
O r’ikalaratsy ity mirary anao ho tafita ‘zaho
--------
Link:
Comments
Andriambolamena ( 12/06/2016 12:36)
Tsara be ilay tonony :)
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mahaleo
Hits : 5533
Likes : 2 Like
Created by : ikalamako
Date : 24/02/2015 23:23
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013