Misy antony (Lalatiana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy niverina izyAngamba efa tofoka
Na hafatra aza tsy napetrany
Ny hanoratra manorisory
Tsy niantso izy
Angamba efa vizana
Ny ditra koa tao lalaon’ankizy
Mamoy ny fo mahatorovana
Matoa tsy mitady ahy intsony izy
Angamba efa fantany
Fa na ny toerana hahitany ahy aza tsy ho tiany
Matoa tsy mitady ahy intsony izy
Angamba efa fantany
Tsy hotiany tsy ho tantiny
Lalao iray izay tiako indrindra
Lalao tsy mampody ahy an-trano
Izy moa tsy tia mozika
Tena marina moa fa tsy angano
Lalao iray izay tiako indrindra
Lalao tsy mampody an-trano
Io no mba haiko, fiainako
Ka tsy foiko
Matoa tsy niverina izy
Angamba efa tofoka
Na hafatra aza tsy napetrany manorisory
Matoa tsy niantso izy
Angamba efa vizana
Ny ditra koa tao lalaon’ankizy mahatorovana
Matoa tsy mitady ahy intsony izy
Angamba efa fantany
Tsy hotiany tsy ho tantiny
Lalao iray izay tiako indrindra |
Lalao tsy mampody an-trano | x 4
Izy moa tsy tia mozika |
Tena marina moa fa tsy angano |
Lalao iray izay tiako indrindra
Lalao tsy mampody an-trano
Izy moa tsy tia mozika
Tena marina moa fa tsy angano
Lalao iray izay tiako indrindra
Lalao tsy mampody an-trano
Io no mba haiko, fiainako...
Haingo sy Lalatiana
Tonony : Lucienne
Feony : Andriamampianina Olivier (Tôty)
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : LalatianaHits : 8283
Likes : 0 Like
Created by : kiris
Date : 10/06/2006 11:24