Raha midona (KTLM Firaisankina Antsirabe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha Midona An'ankaratra,
Dia Manerik'andringitra,
Toa Tsy Misy Hifaharako,
Toa Tsy Misy Tokoa Re !
"aiza Ho Aiza Ny Lalako"
Mb Raiso Aho Re !

Misaotra Anao Misaotra Izahay Ry Ray,
Misaotra Anao,
Misaotra Anao Misaotra Izahay Ry Ray,
Misaotra Anao,

Ravoravo Ery Ny Fo,
Manantena Anao Tsitoha,
Maraindraina Antenaina Hody Aina Vao,
Fa Ny Fahasoavanao,
Taratra Mibaliaka,
Mitondra Hery Vaovao,
Masoandro Sariaka,
Efa Tsinjoko Tao, Orana Alin-kisa,
Sentosento Ahiahy, Ray Ô !
Tsy Mahafoy Ahy Ianao,
Ray Ô ! Misaotra Anao.

Raha Mitodik'havanana,
Dia Mierika Havia Koa,
Zava-poana No Tazako,
Zava-poana Tokoa Re !
"ka Mba Raiso Ny Tanako "
Fa Trotraka Aho E !

Misaotra Anao Misaotra Izahay Ry Ray,
Misaotra Anao,
Misaotra Anao Misaotra Izahay Ry Ray,
Misaotra Anao,

Ravoravo Ery Ny Fo,
Manantena Anao Tsitoha,
Maraindraina Antenaina Hody Aina Vao,
Fa Ny Fahasoavanao,
Taratra Mibaliaka,
Mitondra Hery Vaovao,
Masoandro Sariaka,
Efa Tsinjoko Tao, Orana Alin-kisa,
Sentosento Ahiahy, Ray Ô !
Tsy Mahafoy Ahy Ianao,
Ray Ô ! Misaotra Anao.
Saotra E !

A/c : Zizy Raha
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : KTLM Firaisankina Antsirabe
Hits : 263
Likes : 0 Like
Created by : ilay7nantenainy
Date : 28/06/2023 10:30
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761