Firaisankina iray (KTLM Firaisankina Antsirabe)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Firaisankina iray e, Isika rehetra izao,
Firaisankina iray e,
Tsy hifandao,
Firaisankina iray e,
Fanahy vaovao,
Hiara-hanorona ity fiangonana ity e !
Na izaho na ianao samy tompony avokoa e,
Ho tahian-janahary ho ambinin-java-tsoa e,
Hiara hientana hanangana trano vaovao ô !
ho lova fananan'ny dimby sy fara e e e !
Hiara hientana hanangana trano vaovao ô !
Ho lova fananan'ny dimby sy fara e e e !
Firaisankina iray e,
Isika rehetra izao,
Firaisankina iray e,
Tsy hifandao,
Firaisankina iray e,
Fanahy vaovao,
Hiara-hanorona ity fiangonana ity e !
Hifanampy hifanohana sy hifanasoa e,
Iray saina sy fo miramirana tokoa e,
Hiara hientana hanangana trano vaovao ô !
Ho lova fananan'ny dimby sy fara e e e !
Hiara hientana hanangana trano vaovao ô !
Ho lova fananan'ny dimby sy fara e e e !
Firaisankina iray e,
Isika rehetra izao,
Firaisankina iray e,
Tsy hifandao,
Firaisankina iray e,
Fanahy vaovao,
Hiara-hanorona ity fiangonana ity e !
Mifampitantana, mifanome tanana
ho an'ilay, ho an'ilay Fiangonana
Mifampitantana, mifanome tanana
ho an'ilay, ho an'ilay Fiangonana.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : KTLM Firaisankina AntsirabeVangy : 327
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ilay7nantenainy
Daty : 28/06/2023 10:39