Etanin-kafaliana (KTLM Firaisankina Antsirabe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Entanin-kafaliana izany foko,
Fa afaka nisinda ny toloko,
Dia velombelombolo ny Fanahy,
Fa afaka tokoa ny ahiahy !

Entanin-kafaliana izany foko,
Fa afaka nisinda ny toloko,
Dia velombelombolo ny Fanahy,
Fa afaka tokoa ny ahiahy !

Tonga Jesô tsy nihafahafa
Namafa ny lasa,
Zary hira sy fifaliana
Ireo fahoriana !

Tonga Jesô tsy nihafahafa
Namafa ny lasa,
Zary hira sy fifaliana
Ireo fahoriana !

Lazaiko aminao ny hafaliako,
Ilay hafalian'i Jesô Tompo tiako,
Ilay hafaliana miorina amin'ny toetra,
Manafaka amin'ny fiainanao rehetra !

Zaraiko aminao ny hafaliako,
Ilay hafalian'i Jesô Tompo tiako,
Ilay hafaliana miorina amin'ny toetra,
Manafaka amin'ny fiainanao rehetra !

Tonga Jesô tsy nihafahafa
Namafa ny lasa,
Zary hira sy fifaliana
Ireo fahoriana !

Ry voavonjy eran'ny tany avia hiaram-paly,
Fa afak'ady, voavaha ny tady namatotra antsika !

Tonga Jesô tsy nihafahafa
Namafa ny lasa,
Zary hira sy fifaliana
Ireo fahoriana !

Ry voavonjy eran'ny tany,
Avia hiaram-paly,
Fa afak'ady, voavaha ny tady nama....(RIT)
...totrantsika......!

A/C : ZIZY RAHA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KTLM Firaisankina Antsirabe
Vangy : 123
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ilay7nantenainy
Daty : 30/11/2023 13:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2798