Tsy mba mpaminany (KTLM Firaisankina Antsirabe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mba mpaminany aho,
Na zanakin'ny mpaminany,
Fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy any aho,
Fa tao anaty aizim-pito no niantsonao ahy ry Ray ô,
Tsy nisy nanam-po tokoa ka vakavaka ny Fanahy

Nofidinao tokoa hoe handeha ho irakao,
Handeha sy hamoa e, hilaza vaovao,

Izay safidiko toa nofy tsy didiko,
fa ianao ry Ray no mpitari-dàlana ahy, ka izay sitrakao no efa ekeko izao, dia hitory fahasoavana,


Mangatam-pamelana raha misy latsaka,
osa sy kely hery ka miahotrahotra,
tafio ny herinao tsy ho solafaka,
Mendriky ny voninahitra,

Tsy mba mpaminany aho,
Na zanakin'ny mpaminany,
Fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy any aho,
Fa tao anaty aizim-pito no niantsonao ahy ry Ray ô,
Tsy nisy nanam-po tokoa ka vakavaka ny Fanahy,

Nofidinao tokoa hoe handeha ho irakao,
Handeha sy hamoa e, hilaza vaovao,

Ny saiko tsy hangina ny tsy hideranao, fo feno fifaliana no indro misaotra izao, ny haja sy ny dera ry be fitiavana, ho anao tokoa mandrakizay,

Ny ampitso sy ny hoavy zary ankamantatra, ankinina aminao f'ianao mitantana ahy, ilay nifanekena ho tonga lafatra, fa ianao no kapiteninay, Ô ry Tompo telo izay iray, dia izao misaotra anao izahay !

A/C : ZIZY RAHA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KTLM Firaisankina Antsirabe
Vangy : 126
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ilay7nantenainy
Daty : 30/11/2023 13:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726