Jeso fitiavana (Koraita (Fjkm Androva Vaovao Famonjena - Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
And 1:
Fitiavana iray no ndeha hiraina
Dia fitiavana izay ampy hozaraina
Maharitra mandrakizay
Ho ahy sy ho anao, ho anao
Tsy mivadika, ho doria
Sy vato fantsika ao am-po

Fiv :
Fa ny fitia manjaka ato anatiko
Finoana fanantenana fitiavana
Anatiko (no hanjaka)
Ho mandrakizay ho doria

And 2:
Fitiavana madio tsy mifangaro,
Namoy ny ainy Izy ho ahy sy ho anao
Famindrampo lehibe
Fitia tena fitia
Tsy mba tapitra Izy
No ampy ho ahy sy ho anao

Fiv :
Jeso be fitiavana, Ahy sy ho anao
Finoana fanantenana fitiavana
Ahy sy ho anao (tia)
Tonga ho ahy sy ho anao


Koraita 2018
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0242