Mba toroy aho (Koraita (Fjkm Androva Vaovao Famonjena - Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jehovah o, toroy ny lalan'ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin'ny farany izany. — Salamo 119 : 33

"Mba toroy aho"

And1:
Mba toroy aho ry Jesosy ô
Ny amin'izay tianao hametrahana ahy
Ny safidiko tsy ho diso fa hiantefa
Ka ny sitrakao anie no tena sitrako
Sanatria handao ny fanahinao
Izy no ampingako, ampingako

Fiv:
Jesosy, aza avela handa ny antso aho
Ka ho rendrika ao anatin'ny ahiahy
Eny, raha mivavaka aho tena mitalaho
Mamalia ka maneke, ka maneke

And2:
Eny reko ny antso toa mibitsika
Zay manainga mafy hiverina ao am-balanao
Ny finoako anefa tena bitika
Tsy mba mahafantatra hoe: Inona no atao?
Ka aoreno mafy ato am-poko
Ireo teninao ho tò, ny teninao

And3:
Raha manolotena mba ho irakao
Ka nanaiky ho eny antsaham-panompoana
Aoka ny fanahinao anie no tsy handao
Ary ny fanantenana tsy ho foana
Ka tohano tsara tsy ho reraka
Mba ho todisoa ery, ho tody ery


KORAITA 2015
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Koraita (Fjkm Androva Vaovao Famonjena - Mahajanga)
Vangy : 56
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Harijesy
Daty : 21/03/2025 21:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1456