JESOSY FITSAHARANA (KEROBIMA ANKATSO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ô ry velona eto an-tany, mitaraina, mitomany
Tsy mahita izay haleha
Maina sy mangentana, tsisy antenaina
Izay ataonao rehetra, tsisy soa manam-petra
Inona no antenainao hahitanao fitsaharana

REF: (Indro misy vahaolana)
        Vahaolana ho anao izay miasa fatratra, mivesatra entana
        Ilay Zanak'Andriamaniltra, nafoiny mba ho solonao
        Jesosy be fitiavana, Izy no hiady ho anao
        F'Izy no efa niteny hoe: "Anaka, manatOna
        F'izay manatona Ahy, tsy holaviko mihitsy
        Fa Izaho hanome ho anareo ilay fitsaharana".

Ny devoly manangoly, miezaka hanimba saina
Mampisento, mampahory
Manapotraka ary koa maningotra aina
Izay aleha rehetra, aizina toa tsisy fetra
Inona no antenainao hahitana fitsaharana

REF:...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : KEROBIMA ANKATSO
Hits : 1381
Likes : 1 Like
Created by : Herizo ANDRIANAIVO
Date : 22/05/2019 16:52
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2319