You are here: home > Tononkira > KEROBIMA ANKATSO

NY SITRAKO (KEROBIMA ANKATSO)

https://tononkira.serasera.org/hira/kerobima-ankatso/ny-sitrako-1

Ny hafaliako hatrizay
Mazàna hanadinoako Anao
Jesosy Mpanome ny soa
Tompon'ny fiadanam-po

Atao ireo izay tsy fanao
Fa vokatry ny ezako izao
Tsy mba tsaroako eny lahy
Fa ireo dia avy aminao

Aza misy anie ô ry Ray
Fifaliana hampanota ahy
Tsy handovako ny Lapa nomaninao
Hitoerana rahatrizay
Aleo ihany aho orin-talaho
Toy izay aho lavitra Anao
Ka ny helo no hovantaniko indray
Rehefa miala eto an-tany

Ny ory no sittononkira.serasera.orgrako
Hijaly no finidiko
Satria mampiorina ahy
Hitoetra eo aminao
Tsy ho fampiononan-tena
Fa dia aleoko ny honena
Raha toa hifaly eto ihany
Ka ho very any ankoatra any

Aza misy anie ô ry Ray
Fifaliana hampanota ahy
Tsy handovako ny Lapa nomaninao
Hitoerana rahatrizay
Aleo ihany aho orin-talaho
Toy izay aho lavitra Anao
Ka ny helo no hovantaniko indray
Rehefa miala eto an-tany
Aleo ihany aho ory, hitomany
Fa handova ny lanitra
Ou ou ou......

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : KEROBIMA ANKATSO
Mpamaky : 389
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Herizo ANDRIANAIVO
Tamin'ny : 23/05/2019 06:57:20
ID : 11730

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo