You are here: home > Tononkira > KEROBIMA ANKATSO

TIA (KEROBIMA ANKATSO)

https://tononkira.serasera.org/hira/kerobima-ankatso/tia-1

Ianao irery ihany, Jeso no tsy mandao
Na tsiky na tomany, dia eo foana Ianao
Fa tsy mandeha irery, ny fiainako ety
Ny sandrinao mahery, mitantana ny dia

REF: Izany re no tena itiavako Anao
       Ary ianteherako ny fitiavanao
       Fa tena tia tokoa Ianao
       Tompo tia ka tsy mandao
       Fa tena tia tokoa Ianao
tononkira.serasera.org      Tia ka tsy mandao

Raha tojo fahoriana, nampaherezinao
Tanaty hafaliana e, tsy mba hadinonao
Raha sendra adin-tsaina, ka nahafoy Anao
Ianao no andrandraina e, f'izay no sitrakao

REF

Ampototr'ilay Hazo, izay nanombohana Anao
Eo aho no hahazo, ny fiadananao
Fa mahasoa indrindra, ny eo anilanao
Miaraka mamindra e, satria tantananao

REF

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : KEROBIMA ANKATSO
Mpamaky : 306
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Herizo ANDRIANAIVO
Tamin'ny : 23/05/2019 10:12:38
ID : 11736

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo