MODIA (Jordana sy Zoara ( G.A.E ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Aok'izay ny ditra
Faingàna, modia
Mihalany, miharitra
Ny andronao ety
Laninao ny harena
Nanaovan-tsitrapo
Modia, miverena
Modia an-dapasoa

Indro, indro fa mitsotra
Ny tanany ho anao
Faingàna handeha mizotra
Hanatona hankao

Ilay Rainao be fiantra
Miandry manantena
Ny lala-nandratra
Ialao, miverena

2) Efa manariva
Ny andronao ety
Ny alina madiva
Feno bibidia
Ianao manirery
Nilaozan-tsakaiza
Feno ratra, fery
Ho aiza moa ho aiza?

Indro, indro fa mitsotra
Ny tanany ho anao
Faingàna handeha mizotra
Hanatona hankao

Ilay Ray tsy tafandry
Mitsinjo lava izao
Izy sasa-miandry
Ny hiverenanao

Tsy foiny, tsy foiny
Na adala sy mania
Antsoiny, antsoiny
Modia re modia

Ianao maloto
Ho dioviny ao am-bala
Tsy antsoiny hoe mpanompo
Fa ataony ho malala
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jordana sy Zoara ( G.A.E )
Vangy : 1841
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tolorantsoa
Daty : 27/07/2013 01:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721