Miverena (2nd version) (Jon Mos)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa andro maro lasa izay
No nandraindraiko ilay fitia
Namela ratram-po tsy haiko sedraina
Mahatonga ahy hitaraina
Fa ny anio, ny ampitso sy rahatrizay
Dia ny ho anilanao ihany no faniriko
Ka ankehitriny aho manantena anao
Ny hiverenanao
Raha azo ataaaaao..
yeah e e e

Tiako ianao ho ahy
Na ho sarotra aza ny hanadino anao
Aza avela aho
Hanalavitra amin'ilay toeranao

Dia aza fohazinao intsony ireo lasa
Fa efa nohadinoiko avy izy ireny
Ka tsy averiko intsony
Toa zary embona manaraka ahy fona ireny
Ilay endrikao hatrizay
Toy ny voninkazo iray
Fa raha tsapanao, fa mbola tiako hitoetra ao am-ponao
Ilay fitia izay nomeko anao
Dia indro averiko indray hoe:

Tiako ianao ho ahy
Na ho sarotra aza ny hanadino anao
Aza avela aho
Hanalavitra amin’ ilay toeranao

Toy izany aho rehefa tia
Ka aza hitseranao na kilalao
Nefa mbola manantena ihany aho
Fa ho avy ny andro iray
Ho iray indray izaho sy ianao

Eny tiako ianao hatramin'izao
Ka iriako hiverin'indray
’lay fitiavan’iray ka hiraiko hoe:

Tiako ianao ho ahy
Na ho sarotra aza ny hanadino anao
Aza avela aho
Hanalavitra amin' ilay toeranao
Nataoko ho fantatrao, eny hatramin'izao fa mbola tiako ianao
K'aza ilaozanao aho
Fa miverena...mmm..miiiverenaaaaa aann

yeah! aza avelanao (x2)
hanirery aho
yeah! ianao na handao ahy (x2)
tiako ianao eh eee!!:;:

{Lazao ihany izay tsapanao fa mety ho very ao anatin'ny indray mipi-maso ny fahafahana ary ny nenina mety aharitra eo @ fiainana.}
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jon Mos
Vangy : 822
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 25/07/2020 00:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1879