You are here: home > Tononkira > Jon Mos

Mozika mampiray (Jon Mos)

https://tononkira.serasera.org/hira/jon-mos/mozika-mampiray

Falifaly aho, miramirana ianao
F'ifankahita indray
Sady sariaka, tsy misy tomika yeah..
Ravovarovo ny fo
'lay mozika fiainanao efa tiako hatr'izay Mampitempo ny foko eny hatramin'izao
Raha ho avy ilay masoandro, hitondra hafanana ho anao  

Refrain:
Na maloka ny andro
Ny foko manantena anao hoe: rahoviana indray vao ho hitako ianao

Toa zary tsy afaka ato an-tsaiko indraindray 'Lay endriky ny tsiky avy aminao
Namelona ny fanaTsiky dia ampyntenako ireny, ka zary embona ahy foana hatrizao
Toa ilay mozika koa hirain'ny fo, hamerin'indray reo taloha
Hanala ny aizina, hitondra hazavana ho anao

Refrain:
Na maloka ny andro
Ny foko manantena anao hoe: rahoviana indray vao ho hitako ianao

Banga ny tontoloko tsy eo ianao
Kanefa indrisy tsy misy azoko atao
Fa rehefa eo ianao, misava izao rehetra izao

Refrain:
Na maloka ny andro
Ny foko manantena anao hoe: rahoviana indray vao ho hitako ianao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Jon Mos
Mpamaky : 193
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : john7.mos
Tamin'ny : 31/05/2020 07:11:13
ID : 12787

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo