You are here: home > Tononkira > Jon Mos

Raozy hirain'ny fanahy (Jon Mos)

https://tononkira.serasera.org/hira/jon-mos/raozy-hirainny-fanahy

  Tsy ho afaka an-tsaina ka indro ho hiraina
  Reo lasa rehetra hatrizay
  Ka indro an-kira noho ny hafaliana
  No entiko misaotra anao
  Novetsovetsoiko ireny nataoko an-kira iray
  Ho anao satria tiako ianao
  F’ilay fitiavanao no nasehonao ahy
  Namadika tantara iray  

   Indro ny foko raiso ho anao
   Ka aoka ho anjakanao ny fiainako
   Aza avelanao hangina indray
   'lay raozy hirain'ny fanahy

  Ny iriako hitoetra eo anilanao
  Ny alina aho irery ka lavitra anao
  Ny fitiavanao no mitoetra
  Tsy voafaritro mihitsy ato an-tsaiko ato
  Banga ny fiainako raha tsy eo ianao
  Aiza ianao mila anao anie aho
  Ilay voninkazo ho Tsiky dia ampyroa no hitambatra ho iray
  Dia tiako ianao raha toa ahy            

   Indro ny foko raiso ho anao
   Ka aoka ho anjakanao ny fiainako
   Aza avelanao hangina indray
   'lay raozy hirain'ny fanahy   

  Eh! ry voromailala ô
  Toa reko any ho any
  Manintona aok'izany
  Mba aoka aho handre ny feonao
  Fa mamiko loatra ny hahita ny endrikao

Efa fantatro izao fa teo ihany ianao
N'inona iseho izaho mahatoky anao
Ny ampitso koa mbola manantena ihany aho

    Indro ny foko raiso ho anao
    Ka aoka ho anjakanao ny fiainako
    Aza avelanao hangina indray
    'lay raozy hirain'ny fanahy (x2)

Album' Taratry ny Taonjato faha-21 '

Auteur: Andry Johnson

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Jon Mos
Mpamaky : 170
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : john7.mos
Tamin'ny : 31/05/2020 07:11:25
ID : 12786

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo