Isaorana Ianao (Jon Mos)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaorana IanaoNanome anay
Ilay fitia tsy misy fetrany
No natolotrao ho anay
Izao zava-drehetra izao
Porofo ho anay
F'ianao irery ihany
No anton'izany
Matoa mbola miaina hatrany
Ka anio raha mihira
Dia feno fifaliana
Izay rehetra ato anatiko
Efa fantatrao avokoa
F'ianao ilay Fitiavana mamy
Sy tsara indrindra
Ka indro hovetsoiko eto izao..
Refrain:
Ka na ny anio na ny ampitso
Sy izay mbola hiseho dia ianao
Ianao no hoderaina sy hoankalazaina
Ary ho hiraina amin'ny fo satria tsara tokoa (Ianao)
Ka hira, hira iray
No asandratray ho Anao
Ary ho doria ho toa ilay fitia ho Anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Jon MosVangy : 173
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : TiakoHoDoria
Daty : 04/01/2023 05:49
