RAHA MAHATSIARO AHY IANAO (Jon Mos)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mitamberina ao an-tsainao
Ilay fitiavantsika hatrizay
Tiako ho fantatrao
Fa tsy niova eny hatramin'izao
Ilay fitiavako anao, ianao no efa ahy
Fitiavana iray ho mandrakizay
Eny tiako ho ao am-ponao ireny
Raha mahatsiaro ahy ianao  


Malahelo ianao
Ny hanohy irery ny fiainanao
N'efa hatanjaho ny saina
Ka banjino ny ho avinao
Eny iriako, eny ho sambatra ianao
Hahita izay ho mendrika anao
Eny tiako ho ao am-ponao ireny
Raha mahatsiaro ahy ianao

Feon-kira...

Eny iriako, eny ho sambatra ianao
Hahita izay ho mendrika anao
Eny tiako ho ao am-ponao ireny
Raha mahatsiaro ahy ianao x2

©2020
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 07/08/2020 23:54)
Mba omeo sombiny amin'ny hiranareo hoe azafady.
Na mp3 na cover na youtube izay misy.
inarose07 ( 11/08/2020 20:12)
tsy ho ela..????
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jon Mos
Vangy : 642
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : inarose07
Daty : 09/08/2020 12:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733