Ho tia (Johary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho tia anao aho
tena am-po tsisy ahiahy
efa lalim-paka ka ho doria fa tena sahy
ho tia aho hoy ianao
namaly am-bava feno toky
andry nitantana nampanantena tsy soloky
fitia no ho vaky raha ny hevitro manontolo
aza ela mba halaky ho mamy ny andro manontolo
aza atao resaka , ho resa-be hampandry saina
raketo hipetraka
raha tena fy sy koa lalaina
Aza ny taraina na tsiritra no ampifilaina
ka ninia nandray ho kilalao ireo teniko
fa tsy tenin-jaza ka ho averina im-polo
fa iray dia sahaza
ho setriny omeo daholo
Tsy nandà ianao
tsy nahitana valin-teny
Efa ela izao ka aposaho ombieny ombieny
tsy aleo ve baribary toy izay very anaty
ka tsy tsapa marary ireo teninao raha toa tsy satry
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Johary
Hits : 5476
Likes : 0 Like
Created by : admin
Date : 30/03/2003 12:58
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733