Hira Faneva (Hanitr'ilay Fo Tia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Ny fonao ry Jesoa Kristy o
No hitoeran’ny famindram-pon’ny Ray Tsitoha
Hanovozan’ny mpino ny fitiavana tsy misy fetra
Koa midera Anao, mankasitraka Anao’zahay

Ref: Jesoa o ny Fonao tia no tokinay
Ny Fanahy Masina no fanilo mpanazava
Ny fiangonana no Reny mpitari-dalana
Hanitr’ilay fo tia, Fihavanana sy Fiadanana

2) Ny fonao ry Jesoa Kristy o
No ilay voalefona noho ny otanay
Ka zary famonjena ho an’izao tontolo izao
Ho voninahitr’Andriamanitra tokana Olona telo

3) Ny fonao ry Jeso Kristy o
No mampiray ny zandrinao ho hery iray
Hampahafantatra Anao hatrany am-paravazan-tany
Miaraka amin’I Maria sady Reninao no Reninay
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Hanitr'ilay Fo Tia
Hits : 599
Likes : 0 Like
Created by : sumahefa
Date : 20/11/2021 13:40
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0763