MASINDAHY JACQUES BERTHIEU (Groupe MANRESE)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Masindahy Jacques Berthieu, misionera nahery fo,
Nandao ny fianakaviany sy ny tanindrazany.
Masindahy Jacques Berthieu, nitory an’i Jesoa,
Nanolo-tena tokoa ho an’ny Malagasy.
Omeo fon’apostoly, izahay zanakao,
Hanohy ny asa izay natombokao tety
Amin’ny Nosinay.

Fiv : HEREZO IZAHAY HITANA SY HANDALINA
NY FINOANA MARINA.   (in-2)

2- Masindahy Jacques Berthieu, ‘lay pretra nahery fo,
Nitety lohasaha, tsy nahalala sasatra.
Masindahy Jacques Berthieu, nikoizana tokoa,
Tamin’ny fanaovan-tsoa an’ireo mahantra.
Ankininay aminao ‘ty Nosy maminay,
Handresy ny fahantrana sy ireo tsy rariny,
Handroso fehizay.

3- Masindahy Jacques Berthieu, martiry nahery fo,
Nanolotra ny ainy noho ny finoana.
Masindahy Jacques Berthieu, nisotro ny “aleoko maty”
Niaraka tamin’i Jesoa, mba ho anay.
Hamasino izahay sy ny fianakavianay,
Ka ny rà nafoinao hampamokatra ny voa,
Sarobidy ho anay tokoa.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Groupe MANRESE
Hits : 1982
Likes : 0 Like
Created by : gm10
Date : 06/01/2015 14:19
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0816