You are here: home > Tononkira > Groupe MANRESE

NY TENINDRAZAKO (Groupe MANRESE)

NY TENINDRAZAKO
1-Mamiko ianao ry tenindrazako,
Lalaiko tokoa fa lovan-drazako,
Avy aminao ny voalohan-teny
Nianarako nanonona an’i dada sy neny.
        Fa sarobidy loatra ho ahy
        ‘Zany fibeazanay mianadahy,
       Ka tsy hay adinoina velively
      ‘Lay teny mamy indrindra toa tantely.
2-Tontolo misampana izany fiainako
Fa teny maro no indray itononkira.serasera.orgainako,
Saingy tena tafalatsak’am-poko
Ilay tenindrazako tsy foiko.
      Tiako loatra ianao ry teniko
       Reharehako fa tsy afeniko,
       Raha izaho no hanadino izany
       Dia angamba hivadika ny tany.
Fiv :  NY TENINDRAZAKO, IZAY AHOMBIAZAKO,
NO HANANDRATAKO NY TANINDRAZAKO.
              NY TENINDRAZAKO, IZAY AHOMBIAZAKO,
              NO ITORIAKO N’ VAOVAO MAHAFALY.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Groupe MANRESE
Mpamaky : 958
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : gm10
Tamin'ny : 06/01/2015 14:18:34
ID : 7040

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo