Ny vola (GPl)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mirehareha fatratra ianao satria
Manambola sy harena be
Adinonao hatr@ mihevitra fa
Hoe hanao akory izay hiafarako
satria izay rehetra eo anolohanao io
Mangina noho ny vola
Ny vola anefa izay iverina fa tsy hasaraka anao
Dia mbola hanao veloma anao
Rehefa iny ianao handao ny tany

Ny vola ! Ety an-tany!!(4)
No mahavidy ny marina
Mibaioko izao rehetra izao
Manafaka ireo meloka
Toa lasa Andriamanitra

Ekeko aloha ilaina ny vola satria
Io no hozatry ny fiainana
Tsarovy anefa fa izao
Ny vola koa no fototry ny ratsy
Ny toetra ratsinao miha-vosa
Manaiky anao ny zava-drehetra
Satria ao amin’ireo ny hery
Tsy hananam-piry anefa ny aina
Tsinjovy ihany ny hiafarana

Ny vola a! ety an-tany!! (4)
Mandrava ny fihavanana
Mandatsaka ain’olona
Manangana fahavalo ho anao
Toa rano misy poizina

Fandriaka lehibe ny vola satria
Hitarika anao any @ elo
sarotra ho an’ny be harena mantsy
Ny hiditra ny lanitra
Sitrak’andriamanitra tokoa anie
Ny asa soa rehetra vitanao
Izany anefa tsy midika fa voavela heloka ianao
Ny vola tsy kisolo vava anao
Eo anoloan’ny lanitra

Aza variana mihary arena ho anao
Eto @ity tany ‘ty
Fa ny eto anie mbola ho vovoka sy ho lo
Saintsaino ihany izay ho mandrakizay
Hamantana ho aiza ianao???
Fa ny lanitra tsy ho voavidinao vola

Ny vola a! an-danitra any (3)
Tsy havimbina na iraimbilanja
Tsy Miteny fa mikaonty zero
Jesosy indray no mpitsara
Izay natao tety an-tany
Eo isika ho tsarain’ny tantara (3)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GPl
Vangy : 959
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ramanampamonjyelie
Daty : 29/01/2018 14:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072