Tiako ianao (Fy Rasolofoniaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Kalo, nofy, tsiky
Ho entinao ho ahy, anatiko any
Rava ireo manda manodidina ahy
Ahoana no anaovanao izany e!

Toa misy afo mamaivay ny masonao
Manainga ahy ho sahisahy
Mampatsiahy ahy hoe hay olon'afaka aho
Ekenao ny maha izaho ahy.

A a a! ah! ah! hay!
Sambatra aho
Manana anao
A a a! ah! ah! a!
Asandratro avo
Ny feoko hanambara hoe:
Tiako ianao!!! tiako ianao
Ny feoko hanambara hoe Tiako ianao.

Tiako ny mihaino ny feonao
Mitondra ahy
Lavitr'izao tontolo izao
Tontolo izay namboarinao ho ahy.

Ary misy afo mamaivay manafana
Izay narehitrao ho antsika
Ary ny manodidina azy no hizarana
Izay rehetra any anatintsika.

A a a! ah! ah! hay!
Sambatra aho
Manana anao
A a a! ah! ah! a!
Asandratro avo.

Ny feoko hanambara hoe:
Tiako ianao. Tiako ianao
Ny feoko hanambara hoe Tiako ianao.

Na ny rano lalina aza
Tsy hahaleo ny fitiavana
Izay mamatotra ahy aminao
Tsy misy azo atao.

Hay! hay aihay hay!
Haaah ah ah ah hay hay!
Ah ah ah ah hay hay!
Ah ah ah ah!! Ah ah ah ah!!

A a a! ah! ah! hay!
Sambatra aho
Manana anao
A a a! ah! ah! a!
Asandratro avo.

Ny feoko hanambara hoe:
Tiako ianao!!! tiako ianao
Izao rehetra izao hahalala hoe:
Tiako ianao!!! tiako ianao
Izao rehetra izao hahalala hoe tiako ianao.

Oh oh oh oh oh ooh!
oh oh oh oh oooh!
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Fy Rasolofoniaina
Hits : 46138
Likes : 5 Like
Created by : christophe17
Date : 05/12/2018 14:04
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109