Gasy tsara (Fy Rasolofoniaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny taniko, mamiko tsy foiko
Tsy kajiako fa lotoiko, ny taniko

Ireo bibiko, lazaiko fa lalaiko
Tsy tsaboiko fa vonoiko, ireo bibiko

Ireo alako, ilaiko fa kapaiko
Tsy koloiko fa doroiko, ireo alako

Raha toa ananako ny harena f'izaho adala
Dia ho foana tsy hisy ho tavela ireo lova tsara

Ampy izay, ry mpiara miaina aoka re ho tonga saina
Ts'isy hoe adala ka ny efa simba no mbola simbaina
F'izay hafafy ihany anie no ho jinjaina, ampy izay
Ampy izay, ry mpanonofy mitsangana am-parafara
Ry mahalala ampianaro ny ireo afara
Dia ho feno gasy tsara i Gasikara, Gasikara

Ireo havako, tiako fa tsy ampiako
Tsy zakaiko fa fosaiko, ireo havako

Ireo namako, sangiako sy ifaliako
Fa ompaiko uzbwc sy ambakaiko, ireo namako

Ireo fombako, tantaraiko sy hiraiko
Fa simbaiko sy fafaiko, ireo fombako

Raha toa ananako ny harena f'izaho adala
Dia ho foana tsy hisy ho tavela ireo lova tsara

Ampy izay, ry tononkira.serasera.org mpiara miaina aoka re ho tonga saina
Ts'isy hoe adala ka ny efa simba no mbola simbaina
F'izay hafafy ihany anie no ho jinjaina, ampy izay
Ampy izay, ry mpanonofy mitsangana am-parafara
Ry mahalala ampianaro ny dgxi ireo afara
Dia ho feno gasy tsara i Gasikara, Gasikara

Aoka ho feno gasy tsara i Gasikara
Aoka ho feno gasy tsara i Gasikara, Gasikara

  tyomi

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Fy Rasolofoniaina
Visites : 4934
Préférés : 4 J'aime
Ajouté par : JAIX RABENORO
Date : 12/04/2022 14:38
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0392