Ry Jeso Loharanon'aina (Fihirana FFPM)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Ry Jeso loharanon’aina,Izay foto-pahasoavana!
Ny fonay toy ny tany maina,
Fenoy fitiavana!
Aidino ao ny tena aina,
Mba hampifankatia anay,
Fandrao ho tonga very maina
Ny fitiavanao anay.
2.Ny hasomparana levony
Soloy fitiavana;
Ny lolompo ampijanony
Ho tia fihavanana
Ny fo malaky mankahala
Ovay ho tia namana;
Ampianaro hahalala
Ny didim-pitiavana
3.Toroy sy ampianaro
Ny fitiavanao zahay;
Mpiandry tsara o, velaro
Ny fonao mba ho hitanay
Mba ho tarafiny tokoa
Ny fonay mbola maizina,
Ka samy hifanisy soa
Sy hifamela heloka.
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Fihirana FFPMHits : 4559
Likes : 0 Like
Created by : Mandefitra
Date : 27/08/2008 12:45