Tokiko Ianao (Feon'Kalvary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tokiko ianao Jeso amin’ny adim-piainako
Satria tsapako fa eo aminao no tena nahitako soa
Tokiko ianao Jeso amin’ny adim-piainako
Ka na mafy noho izao aza no hiseho tsy
Tsy atahorako

N’inona hiseho sy hitranga amin’ny fiainako
Tsisy mampanahy satria ianao no miady sy eo aloha
Ka azoko antoka ny hodiaviko satria ianao
No mitantana sy tokiko hatrizao


Ireo fahavaloko izay mitady hamongotr’ahy
Raha vao mandre ny anaranao Jeso tsy mahajanona
N’inon’inona hiseho zava-tsarotra ho diaviko
D’efa misy lalana voatendrinao natokanao hizorako

N’inona hiseho sy hitranga amin’ny fiainako
Tsisy mampanahy satria ianao no miady sy eo aloha
Ka azoko antoka ny hodiaviko satria ianao
No mitantana sy tokiko hatrizao
Raha mbola eto an-tany aho
Dia tokiko ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon'Kalvary
Vangy : 629
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : sitrakaandriantsoavina78
Daty : 02/12/2020 10:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741