Njao mandona (Feon'Kalvary)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Njao mandona efa ela niandrasana anaoJeso tia tsy mety sasatra mbola injao
He miantso, miangavy izy koa ekeo izy anio
Miandry anao mpanota ô valio
Moa ve tsy hangorakoraka ny fo raha mandre ny feony mitalaho
Moa ho lavinao ny fitarainany tsy mangina fa manantena anao
Ô vohay ny fo, ekeo mba honenany
Ô vohay ampandrosoy lay Mpamonjy tia
Ô vohay ianao ilay tena andrasany
Aza ela fa raiso anio Kristy
Raha nanjombona ny fiainanao hatrizay
Ny fonao vesaran-keloka kivy koa
Toa mahantra mandatsa koa reo tsy nety natao
Matokia fa Jeso tsy mandao
Noho ianao ilay tanam-bokovoko
Nozakainy ho fanavotana
Ô omeo ary ny fonao hitoerany fa hanjaka ao ny fiadanana
Ô vohay ny fo, ekeo mba honenany
Ô vohay ampandrosoy lay Mpamonjy tia
Ô vohay ianao ilay tena andrasany
Aza ela fa raiso anio Kristy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Feon'KalvaryVangy : 573
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : sitrakaandriantsoavina78
Daty : 02/12/2020 10:50