Aza Variana (Feon'Kalvary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza  variana mandinikaizay manodidina anao
Ekena fa maro ireo olana izay mahakivy ny fo sy ny saina
Aza miherika mba hitoloko amin’ireo lasanao,
Zay manjombona sy feno ota
Tebiteby ahiahy koa

Avelao hangina ireo tabataban’ny fiainana
Aoka tsy ho  renao ireoantsoantso izay manameloka anao
Izao ihany no teny ho anao
Feon’i Jeso milaza aminao, ampy ho anao ny fahasoavako

Ampy ho anao na maizina izao rehetra izao
Ampy ho anao na mavesatra nyhelokao
Ampy ho anaon’inon’inona miseho ety
Ampy ho anao, hatrizay ,hatrizao ho mandrakizay

Dia mitsangana mba hiatrika hatrany ny fiainan’izao
He maroto koa ireo adidy izay mbola miandry,
Sikino ny saina, zao tontolo izao sy ireo namana miandrandra anao
Mba hitondra ilay masoandro
Dia Jesosy Mpamonjy fitiavana

Toa tsy manan-kery ianao mahatsiaro  hoketraka
Aoka tsy hibanjin’ireo ady mafy fa henoy izao bitsika izao
Mihavâna amin’nyTomponao, dia mionona amin’izao teny izao
Ampy ho anao ny fahasoavako

Ampy ho anao na maizina izao rehetra izao
Ampy ho anao na mavesatra nyhelokao
Ampy ho anaon’inon’inona miseho ety
Ampy ho anao, hatrizay ,hatrizao ho mandrakizay x2
Ny fahasoavako eny ampy ho anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon'Kalvary
Vangy : 492
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : sitrakaandriantsoavina78
Daty : 02/12/2020 10:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1526