Feo roa (Fanja Andriamanantena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho inontsika moa ny andro zay mandalo
Raha ny rivotra mifafy no tsy hitondra kalo
Hanambatra ny wqzy nofy ho tonga hasambarana
Ho ankafizintsika ka tsy hisy fitsaharana

Ho inontsika moa ny ampitso raha mivazo
Raha ho maina dieny izao ireto voninkazo
Izay notiavintsika ka lasa tononkira.serasera.org namololona
Tsara kolokolo ka cfhw tsiriritin’olona

Fa ianao no amiko, izaho no aminao
Isika no miaraka mozika tsotr’izao
Fa tonony sy feo tsy mahay misaraka
Na tsiky na tomany no miraraka

Ho inontsika moa ny andon’ny maraina
Raha mitampify hatrany ybzdcrru ny kalo zay hiraina
Fa ianao no amiko, izaho no aminao
Isika no miaraka mozika tsotr’izao

Fa ianao no amiko, izaho no aminao
Isika no miaraka mozika tsotr’izao
Fa tonony sy feo tsy mahay misaraka
Mahavelon’aina ny hira izay hiraina o o

Fa ianao no amiko, izaho no aminao
A a a a a a a a a a a, o
Fa tonony sy feo mampiray ny fo

--------
Link:
Comments
hery ( 05/06/2026 08:08)
Toa izao ny fitantaran'i Fanja Andriamanantena ny momba ity hira ity tao amin'ny Facebook

𝗧𝗔𝗡𝗧𝗔𝗥𝗔 𝗞𝗘𝗟𝗬 𝗛𝗔𝗥𝗜𝗩𝗔𝗥𝗜𝗩𝗔
Ilay teny hoe 𝗠𝗢𝗭𝗜𝗞𝗔 𝗧𝗦𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗜𝗭𝗔𝗢 dia teraka avy amin´ilay hira hoe 𝗙𝗘𝗢 𝗥𝗢𝗔 izay nampihiraiko an´i Lalie sy Nanie, noho ny fangatahan´izy mirahavavy.
Poema-ko nipirina tsara tao, lavalava dingana, tsy noeritreretiko mihitsy ho lasa tononkira fa toa ho sarotra takarina raha mbola asiana feony. 🔺𝗜𝗦𝗜𝗞𝗔 𝗡𝗢 𝗠𝗜𝗔𝗥𝗔𝗞𝗔, 𝗠𝗢𝗭𝗜𝗞𝗔 𝗧𝗦𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗜𝗭𝗔𝗢🔺hono ...
Kanefa tsy nahita tononkira mihItsy aho. Lalie sy Nanie, etsy an-daniny, dodona dia dodona.
Dia noraisiko ihany ilay poema. Sao mba mety ho lasa tononkira...
Dia vita. Saingy tsapako ho tena feon-kira sarotra no hiaraka amin´ny tononkira efa sarotra rahateo.
Tonga tao an-tranoko izy roa hihaino sy haka ilay hira "duo" nangatahiny. Nolazaiko fa sarotra ny mihaino azy... Tsy nanaiky izy roa fa dia noraisiny ny hira dia ...
Nomena an´i Samy Andriamanoro ny fandrindrana...
Dia nentina tao amin´ny Dosol ny fandraisam-peo. Dia vita !
Dia renareo mpihaino, dia tianareo. Dia hirainareo. Na mariazy na karaoké😄...
Mankasitraka azy mirahavavy aho... Fa misaotra anareo mpihaino mpaka fy...
🙏🙏🙏
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Fanja Andriamanantena
Hits : 7658
Likes : 0 Like
Created by : tokynat
Date : 29/10/2009 13:54
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3743