TSY HIOVA INTSONY (BITAKA (BIka sy TArehin-java-KAnto))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TSY HIOVA INTSONY Mety hisy ve ny fanadinoana
Ka tsy ho tsaroany intsony ny anarako
Ary ho foana ny fanantenana
Hivalona ho tantara ao am-po
Izy hono tsy hiova intsony
Fa efa babonao
Ny fo-ny hono tsy ho zarainy intsony
F’efa natolony anao
Tomany izy nandre ny anaranao
‘Lay endriny faly dia maloka indray
Tsaroany anefa fa any ny andro iray
Hiankina indray eo an-tsandrinao
Ireny fotoana izay niarahana
Dia tena mamy sy fy tokoa
Ny iray minitra tsy anilanao
Tsy tanty fa mampanembona e !
Efa voasoratra angamba ny lalana
Tsy maintsy hilanja ny ziogan’ny fitia
Na mafy aza tsy maintsy ho zakaina
Satria tiako, izy koa tia ahy
Tomany izy rehefa injay ny velomanay
Dia nolazainy koa fa hoe
Nahoana no misy izany rehetra izany
Adinony angaha fa :
SEDRA NY FITIA
BITAKA
(BIka sy TArehin-java-KAnto)
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : BITAKA (BIka sy TArehin-java-KAnto)Hits : 1910
Likes : 0 Like
Created by : Malalason
Date : 09/10/2007 10:28