Mody atao hoe kilalao (Bessa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Kilalaonao aho hoy ianao
Fa nanambady an-jokinao
I zokinao izay iraika amby efapolo taona
Fa ianao kosa ianao
Dia zaza omena kilalao
Satria ianao vao valo ambiny folo taona
Dia milalao tokoa ianao
Izaho rahateo moa kilalao
Na mila ho rovitra aza tsy afaka miteny


Refrain :
Fa ianareo roalahy tsy misy foiko
Samy tiako, samy antsoiko
Saingy anaty ihany no iantsoako anao
Ka mampirafy tsotra izao ny foko
Tia anao an-tsokosoko
Saingy mody atao hoe kilalao

Vao fito taona mantsy izao
Ny mariazy no natao
Tamin’izay aho sivy ambiny folo taona
Ny zanakay hatramin’izao
Dia mbola telo aloha no ao
Tsy misy vavy anefa asa angaha nahoana
Ny sangisangin-jokinao
Toa hamporisika ahy hanao
Fa hadalana  hahazo vavy dia hoekeny
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Bessa
Hits : 8927
Likes : 1 Like
Created by : admin
Date : 30/01/2003 11:40
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012