ry vorona misodisody (Bandin'Ambohimiadana.)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry vorona, ry vorona misodisody
etsy hafarako, etsy hafarako ianao re mba hody
ilazao, ilazao ny any an-tanana
izy hoe, izy hono, hoe manatrika ady mafana


Dia mba lazalazao amin'Ikaky sy i Neny
tsy adinony, hono, hoe ireny anatra ireny
Tsy fisiana hoe, tsy fisiana mahazaka maniraka
ka voatery, voatery izy hiondrana amoron-tsiraka


Ry vorona o! inty ary ilay taratasy
fa hanainga hoe, ry zareo atsy ho atsy
ny vola hoe, ny vola no sisa andrasana
dia mikasa, mikasa izy hamonjy an'ilay Tanindrazana

Dia mba lazalazao amin'ikaky sy Neny
tsy hadinony, hono, hoe ireny anatra ireny
Fa mafy ny mamelona vady aman-janaka
ka voatery izy, hono, hoe hiondrana aty Antsihanaka.

Ry vorona o! ivilio aho rehefa miverina
ahafantarako ny maresaka avy any Imerina
Hikopak'elatra aho, fa vorona taitram-basy
Toa tsy ho ela, tsy ho ela, hono, dia ilaozany mantsy ilay lasy

Dia mba lazalazao amin'Ikaky sy i Neny
tsy adinony, hono, hoe ireny anatra ireny
Tsy fisiana hoe, tsy fisiana mahazaka maniraka
ka voatery, voatery izy hiondrana amoron-tsiraka

Ilay lasy hoe: nitondrany fangirifiriana
patrak'ala, hono, hoe nampiarina am-pandriana
ny orana, saika lany tao daholo
fa nanify, nanify angamba hoy aho ilay trano mitafo mololo.

Dia mba lazalazao amin'ikaky sy Neny
tsy hadinony, hono, hoe ireny anatra ireny
Fa mafy ny mamelona vady aman-janaka
ka voatery izy, hono, hoe hiondrana aty Antsihanaka.



Ajr
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Bandin'Ambohimiadana.
Hits : 14
Likes : 0 Like
Created by : DaheryJunior
Date : 26/02/2026 11:15
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0431