Rehefa tia (Badi Jaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iza no milaza fa mora ny mitia olona iray,
ka ho sambatra rehefa tia.
Ny eritreritra,ny fo tsy mandry fa any fona ny loha, tsy tony raha tsy tafaraka.
Ny maraina aloha toa sambatra,ahita indray 'lay endrikao,
homanina hatramin'ny teny hamalifaliana anao,ka ny anio tsara noho izay hatrizay,hatrizay..

Ref: Ts'isy tsara noho ny mitia fa manova anao ho tsara hatrany izy.
Ts'isy zavatra tsy vitany,na ny miaritra ny hatsiaka ny hafanana..
Fijaliana mampifaly sady manome tsiky no mampitomany.

Ny masoandro mody rehefa hariva no tena sarotra,satry fona hifampitantana.
Toa tsy sahy ny hilaza hoe veloma ianao ka mandrapihaona,mifamihina tsy te hisaraka.
Mbola samy manana ny fiainany,mbola samy tsy afaka tokoa,
any volana any taona ho ampiraisin'ny fo.
Hitambatra ho iray ho mandrakizay. isika roa.

Ref: Ts'isy tsara..

Raha tsy hitohy ny anio
Toky no homeko anao.
Ny ampitso mbola hisy,masoandro vaovao, hanoy ny dia ,hifankatia,matokia..

Ref: (*2)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Badi Jaona
Hits : 1177
Likes : 0 Like
Created by : Kanto28
Date : 26/04/2020 22:13
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137