Veloma ianao (Badi Jaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonga ilay ora farany hihaonako aminao.
Tsitako 'zay ambara vahotra ny lela.
Miasa ny saina noho ny aminao,marary koa ny fo..
Tsy hitako izay atao fa malahelo anao.(2)

Ref: Satriko aza ianao hijanona anilako eo mandrakizay.
Nefa ny lalam-piainana tsy azo tapahina.
Satriko aza ianao tsy hanalavitra ahy mandrakizay,nefa teny vitsy monja no nandrava ny fiarahana hoe "Veloma ianao",veloma ianao..

Speaking: Tadidinao ve tsika lay nandehandeha iny,toa feno antsika iny rehetra iny nefa zao ianao handao sahady,za irery sisa no avelanao eto,zay angamba ilay lalam-piainana nefa za kosa mbola manantena ny fiverenanao..Indray andro any.

Alahelo aloha tsy ho zaka fa ny fiainana hitohy.
Izy mety hoe lasa fa najanony ho ahy ny fony.
Ho karakaraiko,ho kolokoloiko, mandra-piverenanyy..

Ref: Satriko aza ianao hijanona anilako eo mandrakizay,
nefa ny lalam-piainana tsy azo tapahina.
Satriko aza ianao tsy hanalavitra ahy mandrakizay,nefa teny vitsy monja no nandrava ny fiarahana hoe"Veloma ianao"
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Badi Jaona
Vangy : 710
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kanto28
Daty : 26/04/2020 22:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0919