Lazao ahy (Badi Jaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Reo zay vita hatrizay
Tsy natao kilalao
Fa naraikitro tao am-poko tao
Dia ianao indray izao
No hanapa-kevitra handao
Dia handrava ireo vita niara-nanao

Dia sahinao ve indray ny hanary ahy ?
Ianao nilaza fa tia ka ahoana indray ?
Lazao ahy, lazao ahy...

Lazao ahy raha nisy tsy nety natao
Lazao ahy raha zaho mihitsy no tsy ho anao
Fa raha ny fantatro atreto sy hatramin'izay
Izaho sy ianao ho iray

Tsy hanery aho anefa, ny hijanonanao
Fa arahako raha zay no sitraponao
Fa raha ny ahy indray izao...
Ny ahy ny fitiavako
Tsy ho rava fa efa raikitra ao am-po

Dia sahinao ve indray ny hanary ahy ?
Ianao nilaza fa tia ka ahoana indray ?
Lazao ahy, lazao ahy...

Lazao ahy raha nisy tsy nety natao
Lazao ahy raha zaho mihitsy no tsy ho anao
Fa raha ny fantatro atreto sy hatramin'izay
Izaho sy ianao ho iray
Lazao ahy raha nisy olona nahasolo ahy
Lazao ahy raha izy no hahasambatra anao
Fa ny aty efa ratsy, efa mankaleo
K'aleo hitady iray vaovao

.... Yeah

Raha tsy anjara ny antsika
Fiainana mbola ho lava
Kilalao mbola ho ela
Ka tsy hisy ho tavela
Mila fanazavana aho izao
Avelao aho hanadihady kely anao !!!

Lazao ahy raha nisy tsy nety natao
Lazao ahy raha zaho mihitsy no tsy ho anao
Fa raha ny fantatro atreto sy hatramin'izay
Izaho sy ianao ho iray
Lazao ahy raha nisy olona nahasolo ahy
Lazao ahy raha izy no hahasambatra anao
Fa ny aty efa ratsy, efa mankaleo
K'aleo hitady iray vaovao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Badi Jaona
Vangy : 314
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kanto28
Daty : 13/11/2022 09:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.08