Fidio tsara (Armm (Antsan-dRasalama Martiora Manjakaray))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oh etsy kely anieMisy feo manakoako
Miantsoantso antsika indray hoe
Miverena e
(Beso) miverena ô
Moa tsy mba renao ve ?
Tsy iza izany tsy akory fa
Ny Tompo ihany no miantso antsika mba hody
Oh etsy kely anie...
Ka mba saino ihany aloha
Izato làlana hombana
Lanitra ve sa helo ity fiafaràna ?
(Beso) Lalan-tokana ihany
Lalan-tokana ihany no azo antoka ho tsara
Efa fantatrao ry namako ô
(Beso) Dia Jesosy Tompo izany ô
Ka fidio tsara ô
Tsy ho tara ianao
(Beso) Tsy ho neninao
Tsy ho nenina ao afara
Ka fidio tsara ô...
Feon-kira...
Fitiavana anie
Fiadanam-po no miandry any
Ka nahoana ianao no ho malaina e ?
(Beso) Ka nahoana e ?
Raha ny eto an-tany anie
Fandalovàna ihany
Fa tsy hisy izay haharitra ho doria
Fitiavana anie...
Ka mba saino...
Ka fidio tsara ô... (*2)
Oh etsy kely anie...
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Armm (Antsan-dRasalama Martiora Manjakaray)Hits : 153
Likes : 0 Like
Created by : joantsa
Date : 12/08/2025 14:02
