Ho avy ny Tompo (Avant) (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
       Ody oooo....Aiza zay olona eee

Ho avy ny Tompo Andriamanitsika re ho avy
Ka miomakomana daholo isika mianakavy
Samia miomana na ny lahy ny vavy
F a ho avy ny Tompo Mpanjakatsika re ho avy
Diovy ny fo,  ny loto esory avokoa eee
Reo fahazaran-dratsy, ialao ny toetra ratsy ovao
Ndeh'ilazao, ampandreneso ny an-tanana aa
Fa ho avy ny Tompo Andriaamanitsika ka miomàna

     Ny fahotana fadio
     Ny fahadiovam-po no irio
     Ireo ahitra tsara sy ahi-dratsy aza afangaro
     Dia ireo rendrarendra sy ireo hadalana maro
     Zay lalan-diso nizoranao re atsaharo
     Amboaro ny lalan'ny  Tompotsika re amboaaarooo

(x2) Miomàna isika e!!
       Hafanao ny fon'izay mangatsiaka
       Ho avy tsy ho ela lay andro mibaliaka
       Dia ilay andron'nt Tompo Andriamanitsika

(x2) Fafao reo fahotana, fafao
       Ialao reo hadalana , ialao
       Diovy ny fo, diovy ny saina lehiretsy aaa
       Aza dia mafy fo,aza dia mba fetsifetsy aa
       Miovà amin'izay mibebaha ianao
       Fa ho avy ny Tompo Andriamanitrao.......
                    KA MIBEBAHA IANAO

                A/c: Ni RANOELISON
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0781