Miomàna (Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa raha tonga ilay andro iray
iantsoana anao mba hody amin-dRay
ka handaozanao ny tany
ho any an-danitra any
mbola hisalasala sa hanaiky ianao?
fa izy Ray malala izao miantso izao
Maro angamba no hiteny
raha mba azo atao dia hoe "aoka aloha"
rahatrizay tsy maintsy ho eny,aminao Tsitoha
Raha miantso izao ANDRIAMANITRA
Hanome anao ilay maharitra

ref: Mahatoky ve ianao ny amin'ny asa izay natao
ka handray ilay lapasoa , namboarin'Ray tsitoha
tonga tsy milaza izay andro izay
na dia izao aza , rehefa IZAY dia IZAY
Fatiantoka ho anao, izay rehetra vita tety
raha toa tsy ho valisoa no azonao sanatria
ny ora sy fotoana , tsy ho fantatrao
MIOMANA FOANA , MIOMANA IANAO

Fa raha tonga ilay andro iray
Jesoa Tompo mila anao aiza indray
ndeha isika re razandry,
maro ny asa miandry
mbola hisalasala sa hanaiky ianao
fa Jesoa malala izao miantso izao
Misy angamba ireo izay handa
nohy antony tsy fantatra fa mbola misy asa hafa
na sahirandava
tsy azo HIFANERENA ny asa toy izao
asam -pamonjena izao tontolo izao

AKAFA AMBATOLAMPY
A/C: SAMSON Rakotoarivelo
--------
Link:
Comments
antsakarmela ( 26/01/2017 11:20)
misaotra anao sahady namaky! Tahian Tompo e
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA)
Hits : 1728
Likes : 1 Like
Created by : antsakarmela
Date : 26/01/2017 11:22
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.085