Lalana tokana (Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
very hevitra ianao e ,tena sahiran tsaina e
fa tsy nety avokoa izay nokasainao,
mba niezaka ihany tamin ' izay natao
saingy indrisy fa reraka ny aina
Tena kivy tokoa fa very fanantenana,
zao no anjara hoy ianao sa fitsapana!?
marary ny fo fa tampi dalan- kaleha
tsy mahita izay hiampitana
LALANA TOKANA ihany no vahaolan izany
JESOA anie mbola miandry
ny hiverenanao Aminy indray
Avia manantona faingana mifona
fa izy no hiantoka anao e
fitiavana ampy tsy mba mampitamby
nomeny ho anao tsy misy fetra
Indraindray koa anefa raha mba mety izay atao
dia mihevitra fa ny herin tena ,na ny
fahalalana no anton' izao,
tsara vintana nanan-karena
misy toetra tsy tsara izay mitranga sy miseho
avonavona ,fireharehana
tsy fahamarinana sy ny hafa koa
fankahalana ,fijangajangana
Fa misy fetrany ihany
ny harena azo eto an-tany
tsy azo ireharehana
fa tsy mitondra fiadanana ho anao
ka reraka ny aina noho ireo aditsaina
tsy mahita izay tena mahasoa
mikaroka foana ,mandany fotoana
mivelona tsy mety afam-mpo
a/c Samson.R
--------
Link:
Comments
antsanny ( 23/01/2017 11:26)
misaotra anao sahady nanaiky nampiditra azy!
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA)
Hits : 3100
Likes : 1 Like
Created by : antsanny
Date : 23/01/2017 11:29
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2542