Izahay miara-mihira (Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izahay miara-mihira,ho santatry ny any an-danitra
Izahay miara midera,fitiavan'Andriamanitra
Ny hiranay hanakoako,ho ren'izao tontolo izao
Tsy hangina eny tsy hiato,raha tsy tontosa ny asa izay atao

Ho anao mandre sy mihaino io
miantso sy mitaona anao Jesoa
Manambitamby izy ka valio
Aza mikiry fa vohay ny fo
Jesoa hatramizao dua mbola mifona
mifona hatrany ho anao raha mety ianao e
ka ho vatolampy anie ny finoana, fanantenana mandrakizay

Izao rehetra izao sy ny filàny
dia tsy ho ritra eny tsy ho lany
fa adin-tsaina sady tsy mahasoa
ambara marina tokoa tokoa
Jesoa hatramizao dia mbola mifona
mifona hatrany ho anao raha nety ianao e
ka ho vatolampy anie ny finoana
fanantenana mandrakizay

Iraka izahay izao mihira izao
mbola miala nenina ho anao
ny hatak'andro lava mba avelao
raiso Jesoa fitiavana ho anao

a/c : Samson R
AKAFA AMBATOLAMPY
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsan'ny KArmela Fanantenana Ambatolampy (AKAFA)
Hits : 1132
Likes : 0 Like
Created by : antsakarmela
Date : 07/02/2017 10:22
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0785